Sehatra Iombonana hoan'ny Fananan-tany, faly mandray anao!!
Sehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny Fananantany
+261 34 13 471 71
contact@sif-mada.org
141, Rue Rainandriamampandry , Faravohitra

Olan’ny Fananan-tany ao Mampikony

✅Ahitana disadisa amin’izao fotoana izao ny sehatry ny fananan-tany ao Mampikony,faritra Sofia.Velaran-tany mirefy 2 700ha, izay fananan’i Michel Wickert, tamin’ny andron’ny fanjanahantany izay lasa misoratra ankehitriny amin’ny oronasa COTONA Real Estate, vondrona SOCOTA. Mipetraka arak’izany ny ahiahy eo amin’ny fisian’ny kolikoly tamin’ny nahazoan’ny orinasa io tany io.
✅Mba hisian’ny fangaraharana eo amin’ny sehatry ny fananantany sy mba hitondrana vahaolana amin’ity tranga ity dia nanantanteraka asa fanatsikafonana nanomboka ny volana septambra 2022 ny mpanao gazetin’ny tambazotra MALINA, eo anivon’ny Transparency International-Initiative Madagascar (TI-MG)ary naseho ampahibemaso androany tao amin’ny IKM Antsahavola izany horonantsary fanatsikafonana izany.
✅Mifanindry an-dalàna amin’izany dia nisy ihany koa ny adihevitra nandraisan’ireo mpiantsehatra amin’ity raharaha ity anjara toy:
-Mr Alain RASOANAIVO avy ao amin’ny vondrona SOCOTA
-Mme Hanta RADILOFE- Mpisolovava ny orinasa Cotona
-Mr RAKOTOMANANA Richardson avy ao amin’ny Bureau de doléances-Présidence de la République
-Mme RAKOTONDRAZANY Norohanta avy ao amin’ny Service des Domaines
-Mr Lahatra HARIJERY- avy ao amin’ny SIF (Sehatra Iombonana ny Fananantany)
Mr RAZANAKA-Solontenan’ny Fokonolona
🔴Ny TI-MG dia miantso ny tompon’andraikitra rehetra handray ny andraikitra tandrify azy amin’ny famahana izao disadisa izao. Zava-dehibe ny fahafantarana sy fanasaziana ireo mety ho olona na vondron’olona nanao kolikoly mba hialàna amin’ny tsimatimanota.