Sehatra Iombonana hoan'ny Fananan-tany, faly mandray anao!!
Sehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny Fananantany
+261 34 13 471 71
contact@sif-mada.org
141, Rue Rainandriamampandry , Faravohitra

Tetikasa Fanamafisana ny lalàna mifehy ny fananan-tanim-pokonolona

Tontosaina ny 30 sy 31 aogositra 2022 eto Mahajanga ny Atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Fanamafisana ny lalàna mifehy ny fananan-tanim-pokonolona, amin’ny alalàn’ny fanamafisana ny rohim-piraisamonim-pirenena.
Ny tanjona lehibe ao anatin’ity tetikasa ity dia ny fanamafisana ny rohin’ny Firaisamonim-pirenena ary ny fametrahana ny lalàna mahakasika ny tanim-pokonolona sy ny tahala tantanim-pokonolona.
Ny tetikasa dia tohanan’ny Titetikasa ProPFR (Projet de Promotion d’une Politique Foncière Responsable) sy ny RRG (Groupe des Droits et des Ressources) ary ho tanterahan’ny SIF (Sehatra Iombonana hoan’ny Fananan-tany), ny ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy) ary ny CNFM (Conseil National des Femmes de Madagascar).