Sehatra Iombonana hoan'ny Fananan-tany, faly mandray anao!!
Sehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny Fananantany
+261 34 13 471 71
contact@sif-mada.org
141, Rue Rainandriamampandry , Faravohitra

ASARECA: Voafidy ho filoha lefitra i Madagasikara

Notanterahina ny 17 ka hatramin’ny 19 Mey 2023 tany Ouganda ny Fihaonamben’ny Minisitera momba ny Fambolena ao amin’ny ASRECA (Association pour le Renforcement de la Recherche Agricole en Afrique Orientale et Centrale) na Fikambanan’ny Fanamafisana ny Fikarohana momba ny Fambolena any Afrika Atsinanana sy Afovoany).
Izy io dia fikambanana iraisan’ny governemanta aty Afrika Antsinana sy Afrika afovaony, ahitana firenena 14 mpikambana ka anisan’izany i Madagasikara. Anisan’ny firenena vao niditra ihany koa i Somalia. Ny antom-pisian’ny ASARECA dia ny handray anjara amin’ny fanatsarana ny vokatra, ny varotra ary ny fifaninanana amin’ny sehatry ny fambolena ao amin’ireo firenena mpikambana ireo amin’ny alàlan’ny fanamafisana, sy fandrindrana ny fikarohana momba ny fambolena ho an’ny fampandrosoana.
Nandritra ny fivoriamben’ity fikambanana ity no lany ho filoha lefitry ny ASARECA i Madagasikara tamin’ny alalan’i Andriamatoa Eric RAPARISON, izay misolo tena ny firaisamonimpirenena manerana an’i Afrika, avy any atsinanana. Efa mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny ASARECA izy talohan’ny nifidianana azy tamin’io toerana io. Ny lohahevitra nofidina tamin’ity indray mitoraka ity dia mifantoka amin’ny « Fananganana rafitra ara-tsakafo mahavelona ho an’i Afrika ho an’ny taranaka ».
Mampiroborobo ny valin’ny fikarohana
“Fotoana àry izao hampiroboroboana ny voka-pikarohana ao amin’ny Foibe FOFIFA eto amintsika ka anisan’izany ny fanatsarana ny voka-bary hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo”, hoy Eric RAPARISON. Eny tokoa, “ny mpikaroka Malagasy dia manana traikefa lehibe amin’ny fikarohana momba ny fambolena izay ekena manerana ny kaontinanta afrikanina mihitsy aza. Ny vokatry ny fikarohana ataon’izy ireo dia matetika apetraka ao amin’ny vatasarihana nefa dia azo ampiasaina ho vahaolana amin’ny olana sedrain’ny tantsaha. Tsy maintsy mampiroborobo ireny voka-pikarohana ireny amin’ny alalan’ny fanapariahana azy amin’ny sehatra midadasika isika, satria firenena mpamboly i Madagasikara”, hoy hatrany izy.
Ary nomarihiny fa anisan’ny firenena nanorina ny ASARECA i Madagasikara saingy naato ny fisoloana azy tato anatin’ny taona vitsivitsy.