Sehatra Iombonana hoan'ny Fananan-tany, faly mandray anao!!
Sehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny Fananantany
+261 34 13 471 71
contact@sif-mada.org
141, Rue Rainandriamampandry , Faravohitra

JERITANY: FAMETRAHANA RAFITRA MPANARAMASO MOMBAN’NY FANANANTANY

Tao anatin’ny 20 taona nijoroany, ny Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany (SIF) dia nandray an-tanana ny fitarainana mahakasika ny fananantany manerana ny Nosy. Raha ampitahaina ny taloha sy ny ankehitriny dia saika mitovy ihany ny olana sedrain’ny Malagasy mahakasika ny fananantany. Tsapa fa ny olana miverimberina amin’ny fananantany dia tsy raharahan’ny Sampandraharahan’ny fananantany irery ihany, fa mahakasika sehatra maro.
Anisan’ny vahaolana aroso ho amin’ny famahana ny adin-tany lavareny ny tetikasa JERITANY. Izy io dia rafitra fanaraha-maso momba ny fananantany ka ny tanjona dia ny handray anjara mavitrika amin’ny fametrahana ny fitantanana tsara ny fananantany sy ny sehatra mifandraika amin’izany. Io rafitra io dia ahafahana manangona sy mamakafaka ny vaovao sy ny angon-kevitra momba ny tranganà fifandirana isan-karazany mba hanolorana modely famahana olana iombonana sy azo tratrarina. Ny Jeritany koa dia hampiasaina handinihana ny fampifandraisana ny fomba fahazoana tany ny fiarovana ny zo fananantany ary ny fandaminana ny fampiasana ny tany.
Ny zava-baovao amin’ny fametrahana ny Jeritany dia ny fanomezana andraikitra ireo Fokonolona amin’ny fitaterana haingana ny olan’ny fananantany atrehin’izy ireo. Ny Jeritany dia hanampy ny Fokonolona mba ahafahan’izy ireo mamoaka ireo olany. Io rafitra io ihany koa no ahafahana manana tahirin-kevitra mivaingana izay entina ho dinihana eo amin’ny Sehatra ifanakalozan-kevitra eo amin’ny Governemanta, ny sehatra tsy miankina ary ny firaisamonimpirenena mba hijerevana vahaolona sy mba hisian’ny fanjakana tsara tantana.
Ny Jeritany dia tetikasa ajoro eo anivon’ny SIF izay vovonan’ny Firaisamonimpirenena misehatra amin’ny fananantany nijoro ny taona 2003. Ny tetikasa dia tafiditra ao anatin’ny iraka ataon’ny SIF izay mikendry ny hampiroborobo ny tambajotran’ny mpikatroka amin’ny fananantany, hiaro ny zon’ny mponina amin’ny fananantany ary hanentana ireo mpisehatra amin’ny sehatra rehetra amin’ny ambaratonga rehetra mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra sy fifampidinihana mahakasika ny fiarovana ny fananantany eto Madagasikara, indrindra ho an’ny tombontsoan’ny tantsaha madinika.
Notanterahina ny alakamisy 30 martsa 2023 tao amin’ny Radisson Blu Hotel Ambodivona ny atrikasa famelabelarana ny tetikasa Jeritany nanomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva. Nasaina nanatrika izany ireo Tomponandraiki-panjakana samihafa, ny avy ao amin’ny Mediatioran’ny Repoblika, ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fananantany sy ny Fanajariana ny tany, ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana, teo ihany koa ny avy ao amin’ny Mpikaroka ary ireo fikambanana Firaisamonimpirenena samihafa. Ny tanjona lehibe amin’ny atrikasa dia ny fanolorana ny tetikasa, ny tanjony, ny fiasany, ny tombontsoany hoan’ny mpandray anjara rehetra ary ny foto-kevitry ny fiaraha-miasa azo atao eo amin’ny mpandray anjara isan-tsokajiny isan’ambaratongany.

JERITANY : MISE EN PLACE D’UN SYSTEME DE VEILLE INFORMATIONNELLE COMMUNAUTAIRE SUR LE FONCIER.

Pendant ses 20 années d’existence, la Solidarité des Intervenants sur le Foncier (SIF) a traité les doléances foncières de la population malagasy à travers toute l’Ile. D’après les expériences passées, les problèmes rencontrés sont quasiment les mêmes. Contrairement aux idées reçues, les conflits et litiges fonciers récurrents et généralisés ne sont pas seulement l’apanage des services fonciers, mais bien de tous les secteurs concernés.
Parmi les solutions proposées pour le règlement des conflits/litiges fonciers à long terme, JERITANY a été mis en place. Il s’agit d’un système de veille informationnelle sur le foncier dont l’objectif est de concourir à l’instauration de la bonne gouvernance du foncier et des secteurs connexes. Cette structure permettra de collecter et d’analyser les informations et données sur les cas des divers conflits et litiges fonciers afin de proposer des modèles de résolution commune et atteignable. Jeritany servira également à analyser l’articulation entre accès à la terre, sécurisation des droits liés à la terre et l’utilisation de la terre.
L’innovation dans la mise en place de Jeritany réside dans le fait que les communautés utiliseront le système pour relater de manière rapide les problèmes fonciers auxquels ils font face. Cela aidera les communautés au fur et à mesure, à avoir les reflexes pour défendre leurs propres dossiers et s’exprimer de façon autonome. Le système permettra également d’avoir des bases de données solides pour l’instauration du dialogue entre le Gouvernement, le secteur privé et les organisations de la Société civile en vue de la mise en place de la bonne gouvernance foncière.
L’initiateur du projet est SIF, plateforme des Organisations de la Société Civile œuvrant dans le foncier depuis 2003, a travaillé durant ces 20 ans pour que l’ensemble de la population malagasy jouisse pleinement de ses terres. Le projet rentre dans la mission de la SIF qui vise à favoriser la mise en réseau des activistes du foncier, défendre les droits fonciers des populations locales et mobiliser les acteurs issus de tous les secteurs à tous les niveaux afin d’influencer les dialogues et concertations politiques en faveur de la sécurité foncière à Madagascar, notamment au profit des petits producteurs agricoles familiaux. Ce sera également l’occasion de raffermir les relations multipartites multiniveaux.
L’Atelier de présentation du Projet Jeritany s’est tenu le Jeudi 30 mars 2023 au Radisson Blu Hotel Ambodivona (Enceinte Tana Water Front) de 9 à 16 heures. Le rendez-vous a vu la présence des responsables de la Médiature de la République, Ministère de l’Aménagement du territoire et des services fonciers, Ministère de la Justice, de quelques établissements chercheurs ainsi que diverses organisations de la Société Civile. L’atelier a notamment pour objectif, de présenter le projet, son objectif, son fonctionnement, son intérêt pour toutes les parties prenantes et les principes de collaboration possibles entre les parties prenantes.