Sehatra Iombonana hoan'ny Fananan-tany, faly mandray anao!!
Sehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny FananantanySehatra Iombonana hoan'ny Fananantany
+261 34 13 471 71
contact@sif-mada.org
141, Rue Rainandriamampandry , Faravohitra

NY FITSARANA DIA MANAIKY FA FANANAN’NY TANTSAHA IZAY NAMBOLY AZY NY TANY ENY AMIN’NY LANIERA SECTEUR XII

Mbola misy foana ireo manakorontana ny fitompoana ny tany eny Laniera secteur XII izay volen’nyTantsaha efa amam-polon-taonany maro.
Ny Laniera secteur XII moa dia iny lasa nisy lalana mamakivaky azy miala eo Tsarasaotra mihazo ny seranam-piaramanidina vaovao iny. Marihana fa tany amin’ny taona 1962 tany dia voasokajy ho AMVR (« Aire de Mise en Valeur Rurale ») izy iny ary mbola mitoetra izany hatramin’izao satria mbola tsy nisy ny texte nanafoana izany (https://cnlegis.gov.mg/page_find_direct_mots/). Ny AMVR dia fandaminana amin’ny fanajariana ny tany izay natokana amin’ny resaka fambolena sy fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Hitsivolana lah. faha 62-042 tamin’ny 19 septembra 1962 mametra ny fitsipika ankapobeny ampiharina amin’ny faritra beazim-boho eny ambanivohitra, novain’ny Hitsivolana lah. faha 74-006 tamin’ny 15 febroary 1974)
Teo amin’ny fanamboarana ny lalana ho any amin’ny aéroport dia nisy anefa ny hafetsena izay nanaovana titra ambony latabatra an’io secteur XII izay mahatratra 300 ha lasa nisoratra tamin’ny fikambanana, olona ary orinasa maro samihafa ny velaran-tany iray manontolo izay novolen’ny tantsaha. Rehefa nitory ireo tantsaha niasa teo izay nivondrona ao anatin’ny fikambanana Laniera Mamokatra Secteur XII dia nahazo rariny ta- min’ny alalan’ny didim-pitsarana laharana 6519 tamin’ny 06 novambra 2019 sy laharana 6522 tamin’ny 06 novambra 2019 (Dikan’ireo Didi- pitsarana ao amin’ny https://drive.google.com/…/1T_IG…).
Ireto ny votoatin’ireo didim-pitsarana ireo raha fintinina :
Ny tany eny Laniera izay resahana eto dia voasokajy ho AMVR tamin’ny alalan’ny didim-panjakana laharana faha 62-014 tamin’ny 11 janoary 1962 ary ny didim-panjakana laharana faha 63-467 tamin’ny 30 jolay 1963 manome fankatoavana ny Bokin’andraikitra hitantanana ny AMVR, ary mbola manankery sy tsy azo atao n’inona inona, satria mbola tsy nisy Didim-panjakana manafoana ny fanokanana an’ireo tany ireo.
Nisy anefa ny fanaovana Titre ambony latabatra amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy tamin’ireo tany ireo, izay tsy nijery ny fanajariana araka ny AMVR, ary tsy nisy ny fidinana eny ifotony izay tokony nataon’ny Komisionina mpitsirika tamin’ny dingana fanaovana titre (TN°1599, TN°125- H)
Tsy nisy ny fijerena na ny fakàna ny hevitr’ireo mpamboly eny an-toerana tamin’ny fotoana nivarotan’ny Fanjakana Malagasy an’ireo tany ta- min’ny olo-tsotra.
Noho ireo antony ireo dia :
Tsy ara-dalàna ary nofoanan’ny Fitsarana ny nanoratana an’ireo tany ireo amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy, sy ny dingana rehetra manara- ka mifandraika amin’izany (taratasy fifampivarotana, fanaovana antoka);
Nofoanan’ny Fitsarana ny fanoratana ny anaran’ny olona na orinasa nivarotan’ny Fanjakana Malagasy ;
Ny Fitsarana dia nandidy sy nibaiko ny Sampandraharahan’ny Fananantany ny hanomezana sy hanoratana an’ireo tany ireo ho an’ny fikambana- na LANIERA MAMOKATRA SECTEUR XII, izay ahitana tantsaha an’arivony mampiasa sy mivelona amin’ny tany.
Ka tokony hatsahatra ny fangatahana ny tantsaha anatin’ny fikambanana hivarotra ny taniny.
Noho izany, izahay tantsaha mivondrona ao anatin’ny fikambanana LANIERA MAMOKATRA SECTEUR XII sy izahay fikambanana miara- manasonia eto dia :
Mitodika manokana amin’ny Andriamatoa Filoham-pirenena, Ny Ministry ny Fitsarana, ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany ary ny Ministry ny Fambolena sy Fiompiana mba handraisan’izy ireo andraikitra amin’ity raharaha ity ho fampanajana ny tany tan-dalàna ;
Manao ity fanambarana ity mba hampahafantarana ny rehetra mba ialana amin’ireo olona misoloky ho tompony ;
Mampirisika ny Fitsarana hatrany ny hitsara mahitsy tahakan’izao fa izao no antoky ny filaminana ary azo raisina modely lehibe ireto didim- pitsarana ireto ;
Mitodika manokana amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany Ambohidratrimo amin’ny hanoratana an’ireo tany ireo ho an’ny fikambanana LANIERA MAMOKATRA SECTEUR XII araka ny voalazan’ny didi-pitsarana.
Manao sonia:
• Actions Sans Frontière
• Alliance Voahary Gasy (AVG)
• BIMTT
• Coalition Nationale de Plaidoyer Environ- nemental (CNPE Madagascar)
• Coalition paysanne de Madagascar / Firai- sankinan’ny Tantsaha eto Madagasikara (CPM)
• CODE Menabe
• Collectif Tany
• FARM
• Federasionan’ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara (FVTM)
• FEKRITAMA
• FIFATAM
• Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha (FIFATA)
• Fikambanan’ny Tanora mandala ny faha-
marinana mba ho fampandrosoana ny Fi- renena (FTMF)
• FIMPA
• FITAFIBE
• Gny To tsy mba Zainy
• MCCP-PAX ROMANA MADAGASCAR
• MSIS-TATAO
• Ny Tanintsika
• Observatoara momba ny tanora
• Observatoaran’ny Tantsaha
• ONDH
• ONG EDEN
• ONG EFA
• ONG FARVEHIVAVY
• ONG Fiantso
• ONG HITSY
• ONG Ravintsara
• ONG Vehivavy Mazoto
• ONG AZAFADY Tolagnaro
• OSCIE
• PFNOSCM Vohifiraisana
• PFROSC ANOSY
• Plate-Forme Nationale des Organisations de la
Société Civile de Madagascar (PFNOSCM)
• Plateforme RAFIA Melaky
• Réseau SOA
• Rodoben’ny Vovonan’ny Firaisamonimpirene- na Misehatra amin’ny Fananantany (RVF— MFB)
• ROHY
• Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany / Solidarité des Intervenants sur le Foncier (SIF)
• Soa Gny Mivoatsy
• Tafo Mihaavo
• TAMAMPIRAPI
• Tambazotra Nasionaly Mpiantsehatra Fifidia- nana (TNMF)
• Tanora Vonona
• Transparency International – Initiative Mada- gascar
• TVMA Faritra ANOSY
• Vohifiraisana Analamanga
• Vombo
Antananarivo, faha 10 Jona 2023.